4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianao no antenaiko - Rija Rasolondraibe

Tsy voatsindry fa mijoro,

Efa rotika torotoro,

Ambivitra ny rojonay,

Efa tsisy herintsaina,

Mitaraina mitoloko,

Ampiseho anao ny foko,

Jesoa Malala,

Ianao Mahalala,



Fantatro fa ny Anao tsy miova ny fitia

Efa niainako ny fitantananao

Ny maso sy ny fonao dia momba ahy foana ety

Mbola Fanantenako foana Ianao



Ianao no Antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

Hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

Fa ny Fanatrehanao, ireo dina nataonao

Antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy



Amin’ny hery itokiana

Amin’ny andron’ny fahoriana

Ianao no itoerana

Tompon’ny fiheverana

Ny Tànanao no antenaiko

Ny tari-dàlanao no ilaiko

Ho fiainam-baovao

Ny ampitsoko imasonao



Fantatro fa ny Anao tsy miova ny fitia

Efa niainako ny fitantananao

Ny maso sy ny fonao dia momba ahy foana ety

Mbola Fanantenako foana Ianao



Ianao no Antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

Hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

Fa ny Fanatrehanao, ireo dina nataonao

Antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy



Ianao no Antenaiko amin’ny andron’ny fahareseko

Hanavotra ny aiko amin’ny andron’ny fahalemeko

Fa ny Fanatrehanao, ireo dina nataonao

Antoka ho ahy amin’ny anjara alahatrao ho ahy

Anjara alahatrao ho ahy

Partager ianao no antenaiko

Commenter ianao no antenaiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Rija Rasolondraibe

Suite