4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ela - Anyah

Efa fantatro hatry ny ela, fa mbola nisy tavela

Ny fitiavanao azy, tsy tena tapaka ilay tady

Niniako tsy niteny, hitanao ihany angamba ireny

Nefa izao ankehitriny dia ananan-tsiny



Efa fantatro hatry ny ela, Fa mbola nisy tavela

Ny fitiavanao azy, tsy tena tapaka ilay tady



Inona ary ity saro-piaro loza an-tany

Misamaritaka ny saiko sy ny fanahy

Inona ary ity saro-piaro loza an-tany

Maninona ary ianao no sahy manendrikendrika ahy



Ianao, ianao, no nahatonga ahy handeha

Ianao, ianao, ditra be dia be

Ianao, ianao, no nahatonga ahy handeha

Ianao, ianao, ditra be dia be



Hitako ianareo, niaraka teo

Nifamihina ohatry ny inona, tao anaty automobile

Nefa ianao izao milaza, fa tena tsy an-jaza

Ny fitiavanao azy, hatrizay ka hatram’izao



(Na maraina na na atoandro na hariva na amin’ny alina

Ny hasarotam-piaronao tsy hinanan-kanina

Dia ohatran’izany foana isan’andro lava izao

Gidragidra mankaleo.

Fa nahoana aho akia no dia nilaozan’indry

Tamin’ilay indray maraina iry nangatsiaka mihitsy aho

Nifoha aho ny maraina, ny foko no nangaina

Fa tsy nahita anao teo anilako teo


Partager ela

Commenter ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah

Suite