4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Antso - Anyah RNB princess

Renao ve ny antso mitaraina

Ilay reny trotraky ny adin-tsaina

Ilay zaza mitomany an-tratrany eny

Tsy trano ialofana tsy tany hodiana



Ry Zanahary ô tahio ireo mania

Ny mifandrafy mba ampio hifankatia

Ataovy lvitra anay ny alahelo sy tomany

Ka mba ho sambatra ny eran-tany



Jereo ny lalany ety

Hazavao ny ho avy, hanjakan’ny fitia

Ny herinao no hany itokisanay

Ry Ray ao ambony ho tanteraka ny sitrakao



Raha sendra ady sarotra ka mila Anao

Ianao ilay mpandresy no antsoina

Ka fenoy hafaliana sy Fitiavana

Aza avelanao ho irery, aza arianao

Aza avelanao ho very anie izahay


Partager antso

Commenter antso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah RNB princess