4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niserana - Anyah RNB princess

Niserana, Nandalo ihany

Toy ny tsy teo ireny,

Andro mamintsika rehetra ireny

Niezaka aho ny hanadino

Vetivety azy, Hatríizao aho tsy mino

Hoe lasa izy nandao



Nifarana, Tanteraka

Maty ilay afo teo

Nitsilopilopy nangatsiaka

Lefy ilay hafanana, Nindaosiníny akaso

Resy ilay hazavana

Haizim-pito no nanjaka



Tsy hiverina intsony izy é

Fa lasa nandeha

Toa lalan-kafa indray no izorany eo

Izaho navelany eto irery

Nasainy nionona

Mila tsy ho tanty, Mahamay



Nivadika, Ilay pejy iray

Ts’isy ho antenaina intsony

Lasa ombaníny lasa fanadino

Fahatsiarovana feno sary mifangaro

No hany sisa mameno

Ny omaly nandratra



Veloma ihany, tsara tso-drano

Mandra-pihaona indray

Mifarana hatreo aloha ny androany

Tapitra eo ny tantara niarahantsika

Ny ampitso no hitsara izay zava-bita






Partager niserana

Commenter niserana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah RNB princess