4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tora-pasika - Anyah RNB princess

Tora-pasika mafana

Mampifaly avanja mikorana

Hazavana manjopiaka

Hira sy mozika

Dia ho fifaliana foana

No entina mameno ity fotoana

Ilay masoandro mibaliaka

No namantsika



Anilanao no tena mamy indrindra

Anilanao ny tontoloko no arindra

Anilanao mazava sy mafana

Anilanao, hafa ihany ny any aminíny tan‡na



Ireo longo any TulÈar

Havana tsy foy any Fianar

Ireo sakaizako any Mahajanga

Miarahaba (anareo aho)

Iray tampo amiko ao Iarivo

Sy ny any Antsiranana tsy adino

Ianareo any Tamatave

Manakory avy



Havana malalako, Any an-tanindrazako

Ianareo anie tsy foiko, Sanatria tsy ho adinoiko

Zanahary ô tahio, Ho tafita soa anio

Madagasikarako, Nosy tanindrazako

Ianao no niandohana, Ary mbola hiafarana

Manina azy any aho izany, Te-hamonjy ilay akany




Partager tora-pasika

Commenter tora-pasika

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah RNB princess