4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa voasoratra (feat. rotsy) - Anyah

Efa voasoratra any ho any

Ny tantaran’ny fiainanao

Fa lalan-tokana ihany

No tsy maintsy hizoranao

Efa voasoratra any hoany

Ny hafaliana sy ny alahelo tsy maintsy ho lalovanao

ny hazavana sy ny haizina

Izay hifandimby hanilo sy hanaloka ny androanao





Ref:

Na izaho na ianao,tsy misy afaka haminany

ho mba rahoviana ary aiza no hitrangan’izany

tsy misy mahalala, aleo tsy ho fantarina

ka ny lahatra no hitantana ny dianao





Efa voasoratra any ho any

Izay ho anjara masoandronao

Ka na ho ela na ho haingana

Dia tsy maintsy ho sendra azy ianao

Efa voasoratra any ho any

fa hisy andro sy ora iray hampifanojo anao

amin’ny olona izay hanambatra ny ho aviny sy ny ho avinao ho iray





Ref:

Na izy na ianao,tsy misy afaka haminany

ho mba rahoviana ary aiza no hitrangan’izany

tsy misy mahalala, aleo tsy ho fantarina

ka ny lahatra no hitantana ny dianao





Anyah (feat Rotsy)

Partager efa voasoratra (feat. rotsy)

Commenter efa voasoratra (feat. rotsy)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Anyah

Suite