4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa ela - VHF



Efa ela, efa ela
Efa no niantso anao Kristy
Efa ela, efa ela
Fa ianao no miavona sy be siasia
Efa ela, efa ela efa no niandry anao Kristy
Efa ela hatry ny ela
Miandry anao, miverena ry ondry nania


Ny masony ny fijeriny
Efa tsy miala isan’andro
Ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany
Entiny hanavotana anao

Ireo ditra izay vita
Mamela, hifonanay ry Ray
Tsy hita isa, isa-minitra
Raha ny heloka vitanay hatrizay
Mitalao izahay anio
Mba fafao ho madio
Ity loton-janakao ity
Inty zahay tariho, lalan-tsara fidio
Hanatonana indray ny lapan’ny Ray

Ny masony ny fijeriny
Efa tsy miala isan’andro
Ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany
Entiny hanavotana anao


Mpanota, manantona
Dia mbola miantso anao ny Ray
Fa raha Izy no manadino anao
Dia ho very ianao mandrakizay

Ny masony ny fijeriny
Efa tsy miala isan’andro
Ao aminao
Ny sandriny sy ny tanany
Indro efa atsotrany
Entiny hanavotana anao

Partager efa ela

Commenter efa ela

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe VHF