4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Adiady - Poopy

Tsy nisy jamba noho izay
Minia tsy mahita iray
Fa hadalana ny kilemany

Izaho nitsapatsapa pahina
Ninia nikipy taminao
Takon'ny aloka tokoa

Tsia, tsy hanindroa tsy hamerina
Satria efa mahiratra
Mivoady aminao fa hiova
Aza hamafisiana ny fo
Aza foinao fa mila anao

Nitompo teny fantatra aho
Ho manana ny marina
Hay adalana ny fiheverako

Fa toa sangy ratsy ity natao
Nanifika ny tananao
Nefa tsy   mahatokana

Aza dia tsarovana
Ny ora sy andro lasana izay mangidy
Sy mafy indrindra
Mba avelao hivalona any.
    (1996)

Partager adiady

Commenter adiady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite