4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiampita - TOKO TELO

            HIAMPITA

Fa toa tsy ho zakan’ ny foko

Ny hibanjina anao

Raha tonga ny ora voatondro

Handehananao

  Hianika sy hamakivaky

  Hitety havoana sy habakabaka

  Ny alahelo toa tsy ho tanty

  samia mitrotro am-bavaka

Ny voaloham-pahasambarako

Dia ny ho eo anilanao hatrany

Izany no efa fahazarako

Nefa nanjary tomany

     Fa......

Ny andro sy ny volana ary taona

Ho tonga taona maro

Ny anala izany tsy olana

Rehefa ianao no matsiaro

  Mirary anao hahavita

  Fianarana izay atao

  Io no iankinan’ny hoavintsika

  Na ny ahy izany na ny anao

Fanantenana aoka ho fihinina

Hitoetra foana ao am-po

Fa na mamirifiry aza izany ririnina

Isika tsy hisaran-droa.

  REF:

      Ny voaloham-.....

                                                    RAMPAL

Partager hiampita

Commenter hiampita

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOKO TELO