4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zato isan-jato - TOKO TELO

           Zato isan-jato



Mba sambatra iny lalana iny nolalovanao,

mahita ilay endrika mamiko,

tsy mahatsapa ny fisiako nefa tena tiako.



Zato isan-jato tsy mba nahitako tsiny,

ny hatsaranao ry olona iny

Very anjely angaha ny eny an-danitra

ô ô ô ô



Ref:



Nandalo ianao dia niserana

Izaho mitsiriritra am-pitoerana

Ny fanahinao,ny fitiavanao,

mangetaheta izany anie aho e.



Rahampitso aho tena marina

Tsy maintsy ho sahy hanatona anao

Na ho fitiavana na ho fandavana

Dia tia anao aho





Miasa loha,ahoana tokoa moa no hiafarako

raha ianao no hilazako

ny ato am-poko nokoboniko hatry ny taloha.



Nofinofy sa mba mety ho toha ny faniriana?

Tolory fitia fa aza ariana

Tsy hoe mitalaho fa raha tsy azo atao

aoka ho namanao



Nandalo ianao....





                   TOKO TELO

Partager zato isan-jato

Commenter zato isan-jato

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOKO TELO