4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tiako izy - TOKO TELO

Ny esoesonao, toa vao maika,

Mampitombo, ilay fitiavako azy izay,

Tsy izay lazainao, no afaka hanova izay najoro,

Ka hikoro,



Na ny hery, na koa lalàna,

Na hisy fandraràna,

Dia tiako izy, izy koa tia ahy,

’zahay tsy hisaraka,



      Ref: Fa raha ny anay, mafy orina,

           Tsy ho voaraodana, fitia tena matotra,

           Vita fatotra,



’Zahay enjehinao, toa vao maika mifankatia,

Mitombo sy mafana, ilay fitia,

Ny tiako ho tsapanao, matoa ’zahay,

Niara-dalana, dia teo ilay fitiavana,



Na iza hanasazy sy handidy,

Na mamy io na hangidy,

Dia tiako izy,izy koa tia ahy,

’zahay tsy hisaraka,



           Fa fo iray no mitambatra,

           Mifanaraka,izahay tsy hifandao,

           Na ho mora na ho sarotra,



           Fa raha ny anay, mafy orina,

           Tsy voarodana, fitia tena matotra

           Vita fatotra,



     (x2): Ho atako tsara karakara,

           Fa efa anjara,nomenao ho ahy,

           mandrak’izay,

      

     (x2): Fa raha ny anay, mafy orina,

           Tsy voarodana, fitia tena matotra,

           Vita fatotra,        

                          

                                   R.RAMPAL

Partager tiako izy

Commenter tiako izy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOKO TELO