4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aleo ho rava - TOKO TELO

Nanafatra aho omaly  ho hamafisiko eto anio

Asa  raha mba nosaininao io hafatro io?

Tsapako tokoa fa tsy ho tantin’ ny fo

Nefa  mba zakao ihany alo, f’izay no mahasoa

Raha tia any aho taloha ka  nizara izany taminao

Toa tsy mba novakianao loha ireo  izay niombonantsika

Noheverinao fa fitia kilalalao

Anaovanao izay tian-katao satria  niaritra aho



Dia ho tsiny kosa ve raha ravàna hatreo

Ireo nofy², niarahana fahiny

Aoka hivalona hotantara fa tsy mety ho anjara

Samia manantena e, izay mba iriany.



Ataovy toy ny tsy teo aho raha manahiran-tsaina

An-kafa indray mba mitaraina

F’ianao ve hiala maina

Tsoriko eto aloha, fa mafy izay nanjo

K’izay ve no ambaranao ahy

Tsy hanova ny ato andoha



Efa vita aloha raha natao

Ka raha handeha ianao

Tsy harahiko tsiny e tsy  hotsaroiko akory

Ireo mamy tany aminao tany, tsarovy f’efa lany

F’izay momba antsika e, aleo izy hatory. (in-2)

Partager aleo ho rava

Commenter aleo ho rava

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TOKO TELO