4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Sao mba tsy rariny - Tonton Pa

Efa nivoady anie ianao

Ny tsy ho tia mihoatra izao

Nilokaloka tsy handao

Raha mitempo ny fonao;

Tsy maina akory ny lamba nosasana

Lasa ianao, tsy tamana.



Efa mba nahavita izao sy izao

Diso efa fantatrao

fanazaran-tena angaha ny anao ?

Any vao tena kilalao.

Nianantsika ny matsiro indrindra

Izay ianao vao nifindra.



Ilay rova sarobidy

nahitako hafanana

sahinao noravàna !

Ianao anie mahalala :

izaho ilay tia adala.



Izaho lany ron-doha

Tsy nirohy fo

Mba hikaroka izay mahasoa

Nony maty ve ny voay

Dia ny hafa indray

No hiravaka imasoko ilay nisasarako e ?

sao dia mba tsy rariny ?

Sao voan’ody fitia ?

Sao dia mba tsy rariny ?

Sa ve fo vato ny an-dry ?



Neny a ! Marary anie dada e !





Ny tody anie ka eny an-dalanao eny

Saingy tsy mba miteny,

Ny tsiny koa lolohavinao ombieny

Maiva-mavesatra izy ireny.

Tsy vali-vaty no mikotrika anaty

Fa tsy maintsy hoe Mahatanty

Todim-pitia iray hatrany no andrasana eto an-tany

Mba hovalin’ny tomany

Maharary anie izany

Ny aza voany ihany.



Izaho lany ron-doha

Tsy nirohy fo

Mba hikaroka izay mahasoa.

Nony maty ve ny voay

Dia ny hafa indray

No hiravaka imasoko ilay nisasarako e ?

sao dia mba tsy rariny ?

Sao voan’ody fitia ?

Sao dia mba tsy rariny ?

Sa ve fo vato ny an-dry ?


Partager sao mba tsy rariny

Commenter sao mba tsy rariny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tonton Pa