4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Raha mba fantatrao mantsy - Tempo Gaigy

                  Raha mba fantatrao mantsy



   Rehefa tia anao ve dia mampifilafila e!

   Diso tiako ianao ve dia mba mampifilafila e!

   Namanao foana aho hanambitamby anao ’zaho

   Hanafosafo anao raha sendrasendra ka



   Rehefa tiako ianao ve dia mba mampifilafila e!

   Vadinao ’zaho e!reto zanantsika dimy e!

   Vadinao foana aho ara-panjakana

   Ka avelao ’zaho hanafosafo anao



   Raha mba fantatrao mantsy (2) anie

   Tsy mba tsapanao mantsy (2) anie

   Efa ianao ny ahy no tiako

   Efa mba nofidiko

   Tiako ianao ka tsy ariko

   Raha mba fantatrao mantsy anie



   Ianao tsy mba foiko

   Tsy mba solosoloiko

   Fa ho kolokoloiko ianao e!

   Tsy mba fantatrao izany anie



   Potika aminao ’zaho

   K’aza ampijaliana

   Aza hampijalianao ’zaho

   Fa simba taminao ’zaho

  

   Raha ilaozanao ’zaho

   Dia tsy hanambady intsony aho

   Fa efa simbanao mihintsy hoah izaho

   Simba ny avenir



   Raha mba fantatrao mantsy (2) anie

   Tsy mba tsapanao mantsy (2) anie



    

               Tempo Gaigy!



  

Partager raha mba fantatrao mantsy

Commenter raha mba fantatrao mantsy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tempo Gaigy

Suite