4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy nety - Poopy

TSY NETY

Nihintsana nefa mba felana namony
Nantenaiko handrombona eny
Ho endriky ny saha
Toa nihintsana nefa tsy hitombo intsony
Tsy mba nety namony
Toy ny vony namelana

Ilay sombiniaiko
No nandao ahy tsy fidiny
Raha sitrakao ry raiko
Avereno ahy
Fa mafy loatra ny manjo ahy
Toa tsy ho tantin'ny saiko
Ny hizaka ny ngidiny
Izay mety hiseho tsy haiko
Avereno ahy
Fa mafy loatra ny manjo ahy

Nilentika Ilay masoandro nantenaiko
Mba hanazava ilay akany
Nokasaiko ho namana
Fa lasana ilay hazavana lalaiko
Ka indro tomany ny foko torovana

Partager tsy nety

Commenter tsy nety

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite