4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mora - Poopy

Toa tsy mora kay hoy ianao
Ny mitaiza manabe itony zanaka
Fiainana hafa indray no hiainana
Toa ny mianatra mandeha
Misalasala ianao
Dia mila ho kivy indraindray
Ahoana ilay mba ho efa ihany ve
Ny adidinay

Izy anie tsy naniry ny ho ety
Ka rariny raha toloranao fitia
Ho vatsy ho entiny
Hanoy ny fiainana
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Kanefa tsy maintsy hiatrika ny dia
Ka mila anao ho tia
Sy mba ho namany

Mila fiainana ampy fitia
Ampandroso tsara hatrany ny fanahiny
Toa ilainy koa indraindray
Misafidy izay aleha
Tsy mila tantana Ka mila faharetana
Tsy hay refesina
Fa tsy izay ao an-dohanao
No an-tsainy koa

Tsy ampy raha ny hoe
Mibedibedy fotsiny
F'ilainy indrindra ianao
Hitantana sy ahatoky

Ts'isy naniry ny ho ety
Tsy ho tolorana fitia
Ho vatsy entiny
Hanoy ny fiainany
Izy anie tsy naniry ny ho ety
Kanefa tsy maintsy hiatrika ny dia
Ka mila anao ho tia
Sy mba ho namany

Partager tsy mora

Commenter tsy mora

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite