4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy mety afa-po - Poopy

Tsy mety afa-po raolombelona
Mandeha mampiasa loha tsy mahay mihonona
Tsy mety ho afa-po raolombelona
Mitady be kokoa noho izay an-tanana

Indro lasa mahavatra toa manao ny tsy fanao
Mba hitovy na hihoatra ny hafa
Na ny fomba ho enti-manana aza toa tsy rariny
Rehefa azo izay ilaina ampy izay

Indraindray mampanahy lasa lavitra
Mihoa-pefy ny atao mba ho toa ny tianao
Mihoava toetra tsy voafetra izany fanirianao
Ny hafa toa tsy maintsy tsindrina
Dia mamono eritreritra mihitsy moa ianao
Fa tsy maintsy hitovy amin'ny hafa
Toa adino ny rehetra tsara izay natoro anao
fa mahery izany fanirianao

Partager tsy mety afa-po

Commenter tsy mety afa-po

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite