4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsara andriamanitra - Poopy

Mijoro eto aho, izao anio izao
Mba hanambara fa tsara ianao
Raha izay izaho inona moa eto anatrehanao
Nefa tsy haiko ny hangina amin'izao

Fantatro eto f'izaho milaza izany
Tsy nohon'ny saiko amin'ny maha-olona ahy
Fa nomenao tombony aho
Ahafahako mijoro indray
Hanambarako ny hatsaram-ponao

Tsy mbola niova ny toky izay nomenao anay
Fa izahay no ninia tsy hihaino ny teninao
Nefa ianao hatrizay tsy mbola namitaka ahy
Ianao no marina

Indraindray aho mirohirohy fo
Be fanahina toa tsy ampy ilay fitia ilainao
Nefa raha mino Anao
Ho salama ny fanahy
Fa tsara indrindra ny manome am-pitiavana madio

Fa inona tokoa no tsy azo Taminao
Ny asa rehetra ataoko toa mbola arovanao
Ka inona moa no mbola hisalasalako eto indray
Tariho ny foko, hiarahako Aminao

Ny ahiahy rehetra manaloka ny loha
Diovinao raha mino amin'ny fo
Fa tsara indrindra ny fitiavanao

Partager tsara andriamanitra

Commenter tsara andriamanitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite