4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tolory tanana - Poopy

Mangahiahy tsy misy hitarainana
Tsy mana-namana tsy manan-kavana
Toa kamboty zary singan'olona
Mavesatra ny fahanginana

Mifendrofendro toa vonton'ny tomany
Toa fenofeno ery manimanina
I dada sy i neny tsy eo anilany
Tsy hita izay ho sarangotina

Fa firy moa no mba mijery izany
Eny firy koa no mba mamangy azy
Misy ireo miraviravy tànana
Toa mafy fo tsy mba mihantra namana
Fa firy moa no mba mijery izany
Eny firy koa ,o mba manampy azy
Ka tolory tànana ô mba jereo
Fa aza avelanao irery fotsiny eo


Choeur hommes:
Ny endriny tsy mba mitsiky intsony
Fa feno kentrona mieritreritra
Ny ady sy ny tolona atrehany
Mandoro toa afo mirehitra

Ireto manodidina mikipy
Minia miodina tsy mahafantatra
Tsy te hahalala izay mba faniriany
Fa mandry saina sy eritreritra.

Fa efa voasoratra hoe: tiavo ny namanao tahaky ny tenanao

Partager tolory tanana

Commenter tolory tanana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite