4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tolona - Poopy

Variana mieritreritra ny lasany izy
Mieritreritra ny zavatra vita
Maka aina kely mitanondrika ny loha
Inona indray ny zavatra ho hita
Ho vita ve ny androany
Sa ho toy ny omaly ihany
Tsiky kely tsy ilaozan-tomany
Tsy afaka ho aiza moa amin'ny kely mba ananana
Be loatra ny hetraketraky ny tany


Fa rahoviana ihany
No tsy hisy intsony taraina
Hamiratr'indray ny maraina
Hazava indray ilay masoandrony

Toy ny omaly tsy miova ny anio
Fa sasatry ny fiainana
Tsy misy andavan'andro alahady andro fety
Tebiteby no iainana
Tsy kivy anefa izy, tsy miondrika fa vonona
Hitondra sy hizaka izay anjarany
Mifofotra hatrany mba hamela soa sy mamy
Ho an'ireo taranany

Fa mbola miandry ihany
Tsy kivy fa mbola manantena
Tsy maintsy ahazo fandresena
Hiposaka indray ilay masoandrony

Partager tolona

Commenter tolona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite