4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mitatao - Poopy

Eny e! Anareo moa ny hery sy sandry
Anareo @ izany ny didy sy làlana
Very e! Ts'isy intsony ny zoky sy zandry
Ts'isy intsony fa niova indray ny fanajana
Sento, embonembona sisa no alefa
Efa niova tokoa ny fiainana taloha
Vetso, fa ny marina lasa nilefa
Ka tsy misy ny tsara raha tsy misy vola

Ny ratsy anie no tsy atao
Satria loza ho anao
Ny tody anie no tsy antsoina
Satria mivaly ny atao

Tsy afa-manoatra ho aiza moa ny tenakely
Tsy manantena ny mba handresy velively
Aleo mangina ihany aloha
F'izay tsara kokoa
Ilay ao ambony tsy andrinareo andrinay
Izy no marina izy no itokisanay
Tsy misy adino amin'ny fitsarany
Samia mizaka ny asany

Ny ratsy anie no tsy atao
Satria loza ho anao
Ny tody anie no tsy antsoina
Satria mivaly ny atao

Partager mitatao

Commenter mitatao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite