4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila anao - Poopy

Saino anie fa misy olo-marobe

Tsy fantany ny tokony alehany

Mila anao hanoro dia

Hitarika ny lalany

Mila anao manome

Hatsara ny hoaviny



Aoka re mba tsy hinia tsy handre

Ny antsony mitady vonjy aminao

Mila anao hanoro dia

Hitarika ny lalany

Mila anao manome

Hatsara ny hoaviny



Ka ho anao zay mahare zao antso izao

Tsotra anie izay andrasany aminao

Aza avela hiady irery

Raha mbola misy azo atao

Mila namana izy ireo

Hitarika ny lalany

Hahatsara ny hoaviny

Ho masoandrony.


Partager mila anao

Commenter mila anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite