4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mamy ny miaina - Poopy

Ndao isika hikalo hihira
Ndao isika hifaly
Fa natao ho antsika izao
Fiainana izao
Ny feotsika sy ianao
Mety hifamaly
Ka ny olana hovao
Ho kilalao

Ka raiso mora ny fiainana
Tsy mora kivy mora ketraka
Izeao rehetra izao ve hitarainana
Tonio ny fo ahay hipetraka

Raiso amin'ny tsiky izay manjo anao
Ka tsy handresy anao ny sarotra
Fa misy ireo mijaly noho ianao
Nefa mitraka sy mihezaka

Endrika falifaly no aoka asehonao
Ny tontolo miara-miaina aminao
Fa feno hafanana hasitrana azy ireo
Amin'ity fiainana feno toreo

Harao an'kira ny hasasarana
Ho tsapanao ny hasambarana
Raha ravo ny fo faly ny saina
Ho hitanao ny soa f'aza malaina

(Hilalao hilalao lalao
Hilalao, hilalao isika izao)

Partager mamy ny miaina

Commenter mamy ny miaina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite