4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mahavariana - Poopy

Midodododo mivatravatra
Izato ianao
Mikarokaroka zavatra hafa
Zava-baovao
Fa tsy afa-po
Manalavitra ny tsotsotra
Izato ianao
Fa voageja voafehin'ny zotra
Napetrakao
Ka sahirana

Toa mahavariana
Ianao kiriana
Manahirana izay kinasa
Izay nohariana
Nafoy nariana
Miova làlana ny dianao

Aza ravana, aoka tsy simbana
Ny zavatra mety hahasoa

Enjikenjika lava no atao
Maika ianao
Sao tsy aharaka irony hafa
Manam-baovao
Dia maika ianao
Manalavitra ny tsotsotra
Ny fiainanao
Toa miverina raha ny zotra
Narahinao
Dia very ianao

Partager mahavariana

Commenter mahavariana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite