4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Izay manao ny marina - Poopy

Raha tsy ianao no nanao ny tsy nety
Aza avela handresy
Ny hadalana fanimbazimbana
Maika mitsangàna
Fa tsy ianao ilay tsy naninona indray
No hoe hitomany
Mijoroa banjino atreho ny hoavianao

Avelao izy sy ny afokany
Hameno ny tany
Fa sitrano ny fonao hangina
Rehefa tsy tiana
Tsy ianao ilay tsy naninona indray
No hivarilavo
Hatsarao banjino atreho ny hoavinao

Tano mafy ao am-ponao fa
Izay manao ny marina
N'inon'inona manjo tsy mba resy
Fa mbola miarina

Fa ho anao izay miniana kosa
Iavian'ny loza
Mandiniha mitsara tena ihany
Fa mandry ny tany
Fa tsy tompon'ny farany akory ianao
Ka hizahozaho
Mbola hivaly handatsa anao ny nataonao

Tsy resy tsy akory izay manao ny marina
Na ino-manjo dia mbola miarina

Partager izay manao ny marina

Commenter izay manao ny marina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite