4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Iray + iray - Poopy

Sendra nandalo anie aho tamin'izay
Nivezivezy fa tokana iray
Tampoka teo toa reko avy any aminao
Hazavana, hafanana, hatsarana

Sendra nandalo ianao tamin'izay
Nifanojo ny mason-tsika
Nientana iray ny fo sy fanahy
Toa tsaroako tsy afaka an-doha

      Tsy nisy nanam-po izaho sy ianao
      Fa nifanojo dia aho eto izao
      Vonona hiaraka fa tia
      Ka ny faniriana ho doria

Tonga tsy nantsoina avy ao anatiko ao
Misy hery iray itiavako anao
Sitraky ny Ray fa ho antsika amin'izay
Ny hitambatra ho olona iray

Reko fa nanoina ilay antsonao
Ny bitsika manginan'ny foko
Tsy haiko nolavina fa hery iray
Izay nandresy ireo ahiahy

Partager iray + iray

Commenter iray + iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite