4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hira ho an'i neny - Poopy

Raha ny tebitebiko ny amin’ny ho avin’ireo zanako
No nosedrainao koa tamin’andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Raha ny fifaliako ny amin’ny fitositosiny
No fahasambaranao koa tamin’andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Izao lehibe izao, miaina izay niainanao
Vao tena tsapa ilay fitiavanao
Ka tafatoetra ao am-poko ao
Fa rariny raha tiako
Fa rariny raha tiako ianao

Raha toa ny jaliko, rehefa marary izy indraindray
No fahorianao koa tamin’andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Raha ny fahatezerako, rehefa misy ditraditra izay
No efa niainanao koa tamin’andronao taloha
Dia rariny raha tiako ianao

Izao lehibe izao, misedra izay niainanao
Vao tena tsapa ilay fitiavanao
Ka tafatoetra ao am-poko ao
Fa rariny raha tiako
Fa rariny raha tiako ianao

Raha toy ny fanahiako, raha manontany tena aho indraindray
Hoe tiany foana aho ve, rahatrizay izy lehibe
Dia mahatokia fa tiako ianao

Izao lehibe izao, misedra izay niainanao
Vao tena tsapa ilay fitiavanao
Ka tafatoetra ao am-poko ao
Fa rariny raha tiako
Fa rariny raha tiako ianao

Tiako ianao,
Mahatokia fa tiako ianao

Partager hira ho an'i neny

Commenter hira ho an'i neny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite