4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitiavana - Poopy



Mba lazao ahy

Raha mety ho fantatrao

Nahoana moa ilay fitia

Izay lazaina ho tsara

No mampitalaho

Mampitanondrika anao

Lazao ahy, lazao ahy

Fa tsy fantatra



Fa nahoana moa

Raha toa ka tsara izy izao

No tsy maharitra, tsy miharitra

Fa mora mihofo

Ka mandratra anao

Manimba ny fiainanao

Nahoana lahy

Maninona no toa ekenao



Nefa rahoviana moa

Ny fiainana fitiavana

No tsy ho arahina

Sento sy tomany



Tsy ho hitanao

Ny lanjan’ny fiainanao

Raha toa ka tsy ho fantatrao

Izao rehetra izao



Teny tsotra toy izay no navalinao

Fitiavana, fitiavana

Io no fiainana



Efa hatry ny ela anie

Ny fitiavana

No ifandimbiasana

Sento sy tomany





Source: http://www.multimania.com/schmilblik/fitia.html

Partager fitiavana

Commenter fitiavana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite