4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia voarara - Poopy

Soa tsy fantatrao ny tolona ao anatiko ao
Toa reko injao mitritra ny fanahiko
Soa fa raha tsy izany angamba mety ho gaga ianao
F'izaho ilay namanao nitia mangina anao


Ratsy fiantefa ny safidin'ny fo
Ka ny saina no hamafisina

Ny saiko mahalala fa tsy natao ho ahy ianao
Kanefa tsy mahasakana ity fo adalako
Mitempo mangina misento ho anao
Fitia voarara vao miantomboka

Soa fa nisy ihany fomba hihaonana aminao
Na fahoriana aza no aterany
Soa fa raha tsy izany angamba ho mafy noho izao
Ilay hirifiry izay nandrotindrotika

Ity foko no tsy mety fa manivaka
Ka ny saina no hamafisina.

Partager fitia voarara

Commenter fitia voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite