4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ianareo roa - Njakatiana

Fotoana maro teo ho eo

No niarahanareo ka fatra-piseho

Tena tsapa fa mamy ery

Ilay voaloham-pitia

Nampahafantatra ahy hatrany hatrany

Fa hoe tsisy hafa-tsy ianareo ihany

Ireo rehetra manodidina aza moa

Dia nahalala avokoa

Fa toa nofy izay ho leo

Taminareo

Ankehitriny fiainana malama maina

Manadala saina

Anjakan’ny fanana ny fitiavana

Maro ireo izay maka fanahy

Fa hoe hanao ny ratsy tsy ankiahy

Ny sasany aza lasa voasarika

Hanitsakitsaka

Ka mety hampiova koa ny fony

Tsy ho tia intsony







Fa ianareo roa

Iray fo maharitra tokoa

Hibanjina ilay ho avin’olo soa

Ny ratsy ho rava avokoa







Fa ianareo roa

Iray saina hifankatia tokoa

Hifampiankin-doha

ô isan’andro dia hiteny hoe

"I LOVE YOU"



Raha manan-janaka ianareo

Jereo izy ireo

Mba tsy hitoreo

Reo no harena izay mampiray

Ho mandrakizay

Fa ny tokantrano paradisa

Dia ny hoe tsy anjakan’ny disadisa

Raha toa voababon’ny harena

Fitiavan-tena

Aoka tsy ny vola no ampiady

Nareo mivady





Fa ianareo roa

Iray fo maharitra tokoa

Hibanjina ilay ho avin’olo so

Ny ratsy ho rava avokoa



Fa ianareo roa

Iray saina hifankatia tokoa

Hifampiankin-doha

ô isan’andro



Fa ianareo roa

Iray fo maharitra tokoa

Hibanjina ilay ho avin’olo soa

Ny ratsy ho rava ô ô

ô isan’andro dia hiteny hoe

"I LOVE YOU"
















Partager ianareo roa

Commenter ianareo roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite