4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia tsy mety diso - Njakatiana

Tsy hay tohaina ny andro nifandimby

Ao an-tsaina ny vita sy finidy

Ny lalana malalaka na ety

Nizoranay na tsara na tsy nety

   Raha ny natao sy nekena

   No itodihana jerena

   Dia iriko azo ahitsy

   Hikatsahako ny TSIKY

        

Fiv: Izao rehetra izao raha azoko natao

     Iriko mba hiova

     Na fahadisoana sy loza

     Fa nekeko tsy ho diso izay efa niriko

     Ny fitia nokoloiko tato ampoko.

    

Tsy hay tohaina ny andro nifandimby

Ao an-tsaina ny vita sy finidy

Ny lalana malalaka na ety

Nizoranay na tsara na tsy nety

   Raha ny natao sy nekena

   No itodihana, jerena

   Dia inoako azo ahitsy

   Hikatsahako ny TSIKY

Partager fitia tsy mety diso

Commenter fitia tsy mety diso

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite