4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fantatro fa - Njakatiana

Fantatro fa tena halanao maizina aho

Sady nankalazainao re irony akony

Tsy maninona fa ataovy hoe efa resinao

Na tsy fantatro izay tena antony



Haiko fa marary mafy ny fonao

Ka irinao mihitsy hatramin’ny hahafaty ahy

Raha maty aho angamba handihizanao

Ka ny fasako no ataonao kilalao



Aza ory, mahita tory

Fa izaho anie ka tsinontsinona akory

Ny fisiako ve no ataonao hanahirana

Ka ny tenanao no avy ampijaliana

Na izany aza,



Tsy handray anao ho fahavaloko aho

Fa dia raisiko toy ny namako ihany

Asakasakao fa izaho tsy hankahala

Hotiaviko foana ianao fa gasy toa ahy.



Fantatro fa tena halanao maizina aho ...



Aza ory ..

Partager fantatro fa

Commenter fantatro fa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite