4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Aza dia omena tsiny - Njakatiana

Aza dia omena tsiny aho

Raha toa tsy lafatra

Hatramin’izay, hatramin’izao aho

Miezaka foana, foana aho

Mbola osa aho

Efa reraka aho

Nanao ny azo atao

Fa mahantra ve aho ka halanao



Aza dia omena tsiny aho

Raha tsy manaitra anao

Hatramin’izay, hatramin’izao aho

Dia ianao foana foana

Fa ratsy akanjo aho

Miboridana aho

Na inona atao

Fa maloto aho ve ka halanao



Ô ry iseako, ô ry lalako ô!

Izay ny aty!

Ô ry kintana, ô ry volana ô!

Midina ety!

Ary hoy aho hoe mba ampio aho akia

Amin’izay izaho sy ianao samy tia!



Aza dia omena tsiny aho

Raha tsy haiko ny fiteninao

Hatramin’izay, hatramin’izao aho

Te hahazo foana foana

Fa tsy nozarinao

Mbola gasy anie aho

Efa fantatrao

Tsy vazaha ve aho ka ambanianao





Ô ry iseako, ô ry lalako ô!...

Partager aza dia omena tsiny

Commenter aza dia omena tsiny

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite