4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Nofy - Kiaka

Mba nandinika
Ny amintsika sy ianao
Nandefa saina teo
Lasa eritreritra.
Tsy maintsy hofafana
Tsy maintsy hoe faranana.
Izany angamba hoy aho.
No mety hahasoa anao.

      Nofy, nofy ihany
      Ny fiarahantsika
      Nofy, nofy ihany
      Angamba tsy ho tafita.

Angamba tsy ho tsiny
Raha avy amiko ny hevitra
Samy manana ny ho avy
Ka izany no heverina
Tsy ny hevitro anefa
No tsy maintsy hoe harahina
Ianao mangina foana
Lazao ny ao am-ponao.

      Nefa nofy, nofy ihany
      Ny fiarahantsika
      Nofy, nofy ihany
      Angamba tsy ho tafita.
      Nofy, nofy ihany
      Tsy noheveriko
      Nofy, nofy ihany
      Nisy fiafarany

Partager nofy

Commenter nofy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kiaka

Suite