4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atolotro anao - Kiaka

Atolotro anao ity hirako ity
Lasa ny sento sy ny eritreritra tia
Lasa niampita nandefa alahelo
Tsy tana intsony fa mamelovelo

       Dia lasa koa ny fanahy namoron'izao
       Mifono hanitra fanatitra ho anao
       Tonga mamalifaly isaky ny irery
       Mandefa embona mampifanojo ny alahelo

Fotoana mamy tsy misy mpahalala
Antsika roa ihany zany ry malala
Fotoana mamy ankafiziko indrindra
Hanamafy ilay fitiavako tsy mifindra

       Hasambarana fohy mandalo tsy eo akaikinao
       Sento mivahiny ao anatiko ao
       Sento mitambolona @ andro diavolana
       Raha tsy teo ianao asa angamba izay hitranga

Dia tapitra hatreo indray ny sento namangy
Afaka t@ zay ny alahelo f'aleo mandry
Hitady torimaso hisaina ny hany hatao
Rahampitso indray aho manoratra any aminao.

Partager atolotro anao

Commenter atolotro anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kiaka

Suite