4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mila anao - Firmin

Firmin : Mila Anao

1-Tompo o! niantso Anao aho ka novalinao (mila Anao aho)
Fa tsy noraisinao arak’izay haratsiako aho
Fa mbola fahasoavanao no nasetrinao
Tompo o! ny anilanao no mahatsara ahy
Satria raha Ianao no miahy tsisy izay ampanahy
Matoky Anao aho (matoky Anao aho)
Ity ilay maditranao sikino hatrany hanakaiky Anao
Ref:
Ny famindram-ponao Tompo o! No nahatoy izao ahy
Ny fitahianao Jesosy o! No deraiko izao
Fa raha tsy teo Ianao zava-poana izay rehetra natao
Tsy mety sasatra Ianao, misaotra Anao aho
2-Tompo o! niantso Anao aho ka novalinao (mila Anao aho)
Fitiavana tsy misy tambiny, natolotrao
Ianao ilay tsy miova anio, ka ho mandrakizay
Tsisy hampatahotra ahy, izao rehetra izao
Satria raha Ianao no miahy tsisy izay ampanahy
Matoky Anao aho (matoky Anao aho)
Ity ilay maditranao sikino hatrany hanakaiky Anao
(2 FOIS)Ref:
Ny famindram-ponao Tompo o! No nahatoy izao ahy
Ny fitahianao Jesosy o! No deraiko izao
Fa raha tsy teo Ianao zava-poana izay rehetra natao
Tsy mety sasatra Ianao, misaotra Anao aho
Fa raha tsy teo Ianao zava-poana izay rehetra natao
( Tsy mety sasatra Ianao, misaotra Anao aho; misaotra Anao aho ) x2
Tsy mety sasatra Ianao

Partager mila anao

Commenter mila anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Firmin