4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mbola tia - Firmin

’zao mbola tia , mbola adala aminao

’zao tsy adala hanary anao

harenako ianao.



Anao tato ato toa niasa loha

fa hoe niova fitiavako

ny fitadiavana no antony

mihamafy foana ity izy ity.

Toa taratara hoy ianao

vao nody antrano ilay havanao

ny fitadiavana ny antony

tsy mora intsony ity izy ity.



’zao mbola tia , mbola adala aminao

’zao tsy adala hanary anao

harenako ianao.



’zao koa anie mba toa anao

raha io fitiavana io dia ao

saiko lazaina tsy kilalao

miredareda ao anatiko ao.

’zay no nahatonga ahy hiasa loha

sao dia nisy nahavoa

manahy isan andro hoanao tokoa

fa tena tia , tia anao.



’zao mbola tia , mbola adala aminao

’zao tsy adala hanary anao

harenako anao.



’zao tsy olona adala

ka andeha hanary anao ô! ô!

Mahay zavatra tsara ,

ny mety sy ny tsy

Ye! Ye! Ye!



’zao mbola tia , mbola adala aminao

’zao tsy adala hanary anao

harenako anao.

Partager mbola tia

Commenter mbola tia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Firmin