4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manaiky aho - Firmin

Tompo o! tsy aiko ny hangina fa tena resinao lahatra aho
Ho aiza aho, mahamenatra ahy ireo heloka sy hadalana nataoko
Inty aho, mahatsapa ny fitiavanao ahy
Na mahamay ny fitsapana, manaiky aho izay no lalana
Anefa ianao Ray, isaorako anao indrindra, tompo o!

Nahoana moa no tsy hankasitraka foana
Fa ny fiainako dia avy aminao
Nahoana moa no tsy hanaiky aho
F'ianao no nahatoy izao ahy
Ekeko tsy hisalasalana ny hitantananao ahy
Ekeko izany
Fa ny fitiavanao no nahatoy izao ahy

Tompo o! toa ny andro mahaory, mavesatra indrindra no lalovako
Mafy ny fisarahana amin'ny maha-olombelona
Nefa, nanehoanao fahagagana aho
Na izany aza tompo tsy toha,
Manaiky aho izay no lalana
ny androko omaly, ny ampitso sy androany
Inoko foana fa avy aminao

Nahoana .... ahy.

Anao ny fiainako

Partager manaiky aho

Commenter manaiky aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Firmin