4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hiverina indray - Firmin

Ekeko, Nandao Anao aho hatrizay

Niaky aho fa niala ny lalanao

Tsy feno fahendrena aho,

Nefa Ianao dia tsy nandao

Teo foana Ianao nitantana ahy



Ray o! Raha ny otako hatrizay

Haiko, fa tsy mendrika Anao aho

Fa naniratsira aho, tsy nihaino ny  teninao

Nefa Ianao dia tsy nandao





Ref:

Mifona aho Ray, mifona , mivalo

Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana

Manomboka izao, hitoky Aminao

Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao



Ekeko fa  maro ireo fakam-panahy

Izay mitady hisarika ahy

Ampianaro aho mba hifikitra Aminao

Ka ny hadisoako mba avelao



Ref:

Mifona aho Ray, mifona , mivalo

Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana

Manomboka izao, hitoky Aminao

Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao



Fantatro fa tsy miova Ianao

Fantatro fa Ray be hindra-fo

Tsy mba miavona ao am-po fa mandray zay mitady Azy

Ka tia ahy mandrakizay





Ref:

Mifona aho Ray, mifona , mivalo

Miaiky fa diso aho, tsy mendri-pamelana

Manomboka izao, hitoky Aminao

Hiverina mba ho isan’ ireo zanakao

Partager hiverina indray

Commenter hiverina indray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Firmin