4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 1+1=1 - Poopy

Sendra nandalo anie aho tamin'izay
Nivezivezy fa tokana iray
Tampoka teo reko avy any aminao
Hazavana hafanana hatsarana
Sendra nandalo ianao tamin'izay
Nifanojo ny masotsika
Nientana iray ny fo sy fanahy
Ka tsarako tsy afaka an-doha

Tsy nisy nanampo izaho sy ianao
Fa hifanojo dia ho eto izao
Vonona ny hiaraka fa tia
Ka ny faniriana ho doria

Tonga tsy nantsoina avy ao anatiko ao
Nisy hery iray fitiavako anao
Sitraky ny ray fa ho antsika amin'izay
Ny hitambatra olon'iray
Reko fa nanohina ilay antsonao
Ny bitsika manginan'ny foko
Tsy haiko nolavina fa hery iray
Izay nandresy ireo ahiahy.

Partager 1+1=1

Commenter 1+1=1

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Poopy

Suite