4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Foko kely feno ratra - Henri ratsimbazafy

Namangy ahy ianao
hilaza zava-baovao :
"aoka isika tsy hiady
izaho mantsy hanambady"

Tena mafy izany, mila tsy ho laitra,
nefa izaho namaly, mody tsy dia taitra,
raha tsy diso aho natsikiko ny molotro
ka tsodrano no natolotro :

"Mahareta hatramin'ny farany,
ianao angamba no anjarany,
mahazoa ny soa rehetra
ary aina anie no fetra !"

Ref.
Nefa ao anatfko ao
tohina ilay fery vao,
nivonto mila tsy omby tratra
'lay foko kely feno ratra.
Efa zariko ho tony
tsy hahatsiaro anao intsony,
nefa dia tsy mety zatra
'lay foko kely feno ratra.

Nony hitako ianareo
andro vitsivitsy avy eo,
saika mody tsy hahita (ianao)
kinanjo aho niampita

Saikatra ianao, hitako niahotra,
tsapako mihitsy ohatry ny natahotra,
avy hatrany kosa niniako natsafaina
ka natoniko ho arahabaina :

"Manao ahoana ianao Madama
manao akory ianao, salama ?
Inona no vaovao
nahazo aina kosa ianao !"

Partager foko kely feno ratra

Commenter foko kely feno ratra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite