4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Bobongolo ilay fitia - Henri ratsimbazafy

Fony aho mbola tia
dia niangayy anao hatrany,
nefa ianao dia ninia
tsy ahafantatra izany.


Gaga aho ankehitriny
raha nanjary hoe tianao.
aoka anefa ialako tsiny
diso aoriana loatra ianao !


Toy ny afo ny fitia
ka mirehitra ao anaty,
raha voasorona izy dia
velona tsy mety maty.


Ny ahy kosa ho'aho re roy
tsisy mba nikarakara,
hany izy ka nafoy,
nangatsiako toa antara.

Ref. :
Voatahiry ela loatra
tao am-poko ilay fitia
ka tsy afaka nanoatra
fa nihiboka doria.
Voarakotry ny ela
ka lomorona satria
tsisy rivotra tavela

Partager bobongolo ilay fitia

Commenter bobongolo ilay fitia

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite