4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Feon-dakolosy - Henri ratsimbazafy

Henoinareo ange
ny feon-dakolosy
manakoako e
manerana ny Nosy,
ravoravo sa
MIkalo mitaraina ?
manga feo ka
manintona ny saina.
Ndao
toa miantso hoe :
Ndao
Ndao hivavaka e


Ny andro Noely moa
dia andro iray malaza, `
mifaly avokoa ,
na 'reo tsy mino aza,
nefa mbola ao
ireo tsy afa-mifaly,
tsy manan-katao
mahantra sy mijaly :
Ndao
Ndao ireo ampio
Ndao
fa Noely anio.


Fa mbola maro be
Ireo Malagasy
No tsy mba nahare
ny amin'ny Krismasy.
ny amin'i Jesoa
tsy fantany akory,
lavitra any moa
ka tsy ampy ny mpitory.
Ndao
Ndao ireo tariho
Ndao
fa Noely anio.

Dia mbola misy koa
Ny tokony ho tsaroana,
Ireo izay tena voa
ka reraka sy noana,
ireo marary sy ny any an-tsesitany
ireo maniasia,
ireo izay mitomany.
Ndao
Ndao ireo vangio
Ndao
fa Noely anio.
1986

Partager feon-dakolosy

Commenter feon-dakolosy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite