4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fony aho - Henri ratsimbazafy

FONY AHO tsy nitafy
afa-tsy akanjo rovitra
tamin'ny orana nifafy
sy hatsiaka mampangovitra,
dia nalanao tsotra izao
noho izato fahoriako
lamba teny an-koditrao
ka nomenao ho tafiako.

Eny lamba soga ihany,
kararavina sy tsotra
nefa kosa ny hafanany
nahatoraka lopoitra


FONY AHO mosarena,
trotraka sy fanimpanina,
rera-tsaina, rera-tena
fa tsy nanana hohanina,
tsapako nitafotafo
tao am-ponao ny fitiavana,
nasainao aho hisakafo
ka noraisinao ho havana.

Eny vary maina ihany
no niarahana nizara,
nefa dia natsiro izany
niova ho sakafo tsara.


FONY AHO kivy ratsy,
tsy mba nanana hitarainana,
tsisy tia, lany vatsy,
zary leon'ny fiainana,
Ianao tamin'izay
no hany mba niteny tamiko
ka namerina indray
ny fiainana ho mainiko.

Eny teny kely monja
feno hatsaram-panahy,
nisy hevitra mafonja
ka nitondra hery ho ahy.

Partager fony aho

Commenter fony aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite