4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Falifaly - Henri Ratsimbazafy





Vao manomboka ny sekoly,

miasa lava izao,

Tsy mba afaka miala voly

na mba milalao.

Indraindray anefa moa

tsy mianatra ihany koa

andro iray na roa.





        Hatrizay aho dia irery,

        tsy mba very dia,

        singan’olona ka toa very,

        tsy manan-tia

        Kinanjo indro zazalahy,

        bikana, tsara fanahy,

        no manantona ahy.



Indray andro tsy anilanao

toy ny ela be,

tsy ahitako izay atao

na izay aleha.

kanefa ao anatiko ao

misy aingam-panahy vaovao

vao mahita anao.



Ref.



Midoboka ny foko

FALIFALY

hira no kaloiko

FALIFALY

rebika ny saiko

FALIFALY

kalo no hiraiko

FALIFALY





Henri RATSIMBAZAFY  1969

Partager falifaly

Commenter falifaly

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri Ratsimbazafy

Suite