4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ao an-trano falafa - Henri ratsimbazafy

Tsy hananako raha ny harena.
Tsy hananako ny lapasoa
na ny vola na ny volamena
dia samy tsy ahy avokoa.

fa raha fitiavana kosa
no hany mba tadiavinao,
ananako be miavosa
ka ho porofoiko aminao.

Tsy ananako raha ny harena
tsy hananako ny lapasoa.
ny foko no azoko omena
mba hitoeranao ramatoa.

            Tsy misy afa-tsy varimaina
            no hany mameno lovia,
            raha zaraiko aminao sombinaiana
            dia miova manjary hanim-py.

Ao an-trano falafa
ao isika no ipetrapetraka
ka hitafa sy hiresadresaka
no anolorako anao ny fitiavako
mandrosoa ary ianao re Rahavako

Partager ao an-trano falafa

Commenter ao an-trano falafa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Henri ratsimbazafy

Suite