4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Mariazy - Feon' ny Fahazavana Toamasina

Fitiavana mandrakizay

voady mandra-maty

fitiavana tsisy fetrany

izao mariazy izao



Omeo ny tso-dranonao

ry Tompo ô, haharitra doria, doria



réf/ Ny tena manam-pitiavana

dia toa ny Kristy

manolotra ny ainy

ho antsika tiany

ka tsy misy manam-pitiavana

mihoatr’izay

mahafoy ny tenany hoan’ ny sakaizany



Fitiavana mandrakizay

voady mandra-maty

fitiavana lamban’akoho

ka aina no fetra



Andro masina sy sarobidy

izao andro izao

ka misaotra anao

izahay Andriamanitra



Réf/



Fitiavana mandrakizay

voady mandra-maty

fitiavana voa-tso-drano

ny Ray sy Reny

mba omeo ny tso-dranonao

ry Ray ô

ka misaotra anao

izahay, Andriamanitra



Réf/

Partager mariazy

Commenter mariazy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Feon' ny Fahazavana Toamasina