4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ny vavako hilaza - Fara Andriamamonjy

Ny vavako mbola hilaza, hihira ilay Fitiavanao

Fa na maro aza, ireo hira efa nankalaza Anao

Dia mbola mamiko hatrany, Ny hihaino sy handre

Ilay Fitiavanao tokana an-tany

Fa raha izaho no tokony ho faty, noho ny otako (2)

Dia indro Ianao nanolo-tena hijaly, Mba ho soloko (2)



Na mafy aza ny hazo fijaliana, Natolotrao ny tananao hofantsihina

Niaretanao ny fara fahoriana, Nahatonga Anao hilaza hoe :

" Ray ô ! Nahoana Ianao no mahafoy Ahy ? "



Na mafy aza ny hazo fijaliana, Natolotrao ny tananao hofantsihina

Niaretanao ny fara fahoriana,

Mba hahatonga ahy handova ilay Fiainana Fiainana mandrakizay



Na mafy aza ny hazo fijaliana Natolony ny tanany hofantsihina

Niaretany ny fara fahoriana,

Mba hahatonga anao handova ilay Fiainana Fiainana mandrakizay (2)

Partager ny vavako hilaza

Commenter ny vavako hilaza

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fara Andriamamonjy