4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zoky - Njakatiana

O Zoky o
Raha toa ka hanabe
Hanoro sy hanitsy
Fahalalana anie
Tsy ho an'olom-bitsy e
Toroy fahendrena
Tsy hirotoroto
Ka hitondra tena
Tsy ho jiolahim-boto

Zokinay, Zokinay
Ianao fitaratra ho anay
Zokinay zokinay
Andry sady tokinay

Raha toa ka hikabary
Na koa hampanantena
Asa lavorary
Takian'ny firenena
Fitiavan-tena loatra
Aoka re hialana
Satria tsy mampivoatra
Mitondra fahantrana

Zokinay, Zokinay....

Raha toa hitory teny
Hitondra teny soa
Katsaho ombieny ombieny
Izay hampiova fo o
Ny fihevitray anao
Dia Zoky ara-panahy
Ny toetranao izao
Mba tsy hampiahiahy

Zokinay, Zokinay...

Raha toa ianao hihira
Hampita ny hafatrao e
Mba tsy haniratsira
Izay tsara no hatao
Ny vetsovetsonao
Ezaho mba tsy hivoana
Ka aza atao fanao
Ny miteniteny foana

(Feon-kira)

Zay zay zay
E e!
Eeeee!

(Feon-kira)

O ry Zoky e manantena izahay
Zokibe o mba hanavotra anay
O ry Zoky e manantena izahay
Zokibe o

Zokinay, Zokinay...

Partager zoky

Commenter zoky

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Njakatiana

Suite