4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Zaraiko - Ricky

Avelao ’zaho hokotsain’reo alahelonao,

Raha mbola misy fo tsy mety mitempo fitia

Avelao ’zaho holena ireo ranomasonao,

Raha mbola misy tanana tsy mifandray mihintsy

Avelao ’zaho hisento mandrakizay ’zaho,

Raha mbola misy foana ny elanelana mandrava

Avelao ’zaho hitomany ho’aho ’zaho,

Raha mbola misy marina tsy voalazan’ny vava



   Fiv:Hozaraiko aminao izay an’ahy,

       Hozaraiko fa misy fanahy

       Hozaraiko aminao izay an’ahy

       Hozaraiko fa feno fitiavana

       Hozaraiko aminao izay an’ahy

       Hozaraiko fa feno fihavanana

       Hozaraiko aminao ’zay an’ahy

       Hozaraiko fa aza manahy



Avelao ’zaho hopotika tsy hisy intsony,

Raha ohatra ka mbola tsy mandihy foana ny fony

Avelao ’zaho ho levona,ho rava mihintsy,

Raha ohatra ny fitiavanao efa ts’isy

Avelao ’zaho hangina,hangina tsy hiteny,

Raha ohatra ny fonao efa mihatery

Avelao za am’izao fotsiny eo,

Raha ohatra ianao manomboka efa leo



Raha ohatra ka fitiavana ny resaka

Raha ohatra ka tena fitiavana ny resaka

Ra ohatra ka fihavanana ny resaka

Raha ohatra ka tena fihavanana ny resaka



Te-ho namanao anie aho...

Hozaraiko aminao e,hozaraiko aminao

Raha ohatra ka fitiavana ny resaka,

Raha ohatra ka fihavanana ny resaka;

Diz ora iray monja,segondra iray monja

Dia afaka manova ny fiainantsika sy ianao

Ho any amin’ny tontolo ts’isy disadisa

Toa ohatran’ny hoe ohatraohatran’ny paradisa

Raha FITIAVANA ny resaka

Raha FIHAVANANA ny resaka

     (Tonony sy feo:Ny Olombelo Ricky,Nanaraka:Balita&Kiki)

Partager zaraiko

Commenter zaraiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ricky

Suite